Fanasana ho antsika rehetra!
21.04.2009
Fanasana ho antsika REHETRA!

Asaina isika rehetra @ asabotsy ho avy izao, mba hanatrika ny fihaonana @ ireo namana Rosianina (Fikambanan'ireo Naman'i Madagasikara eto Mosko FNMM)
Izany fihaonana izany, dia hatao eto Mosko, ny asabotsy faha - 25 ny volana aprily taona 2009 izao. Ao @ "lapan'ny zavakanto sy kolotoran'ny ankizy eto Mosko" (LZKAM) izany no ho tanterahina. Ity ny adiresy misy azy:
119334 Mosko, lalana Kosyigina, faha - 17 ato => ny torolalana
+7 (495) 939-83-53
Toy izao ny fandaharam-potoana @ izany!
Lohatenin'ny fihaonana: "Tantaran'ny Diaspora Malagasy aty Rosia sy ny Firaisana sovietika"
Fanombohan'ny fotoana: 25/04/2009 @ 4ora Tolakandro
Mitantara ireo Mpitantara (10mn isaky ny mpitantara raha be indrindra). Ny asaina mihaino no misotra dite.
Ireo Mpitantara: Isika teratany Malagasy sy ireo namantsika Rosianina.
Ny Efi-trano: Ao @ sampana iraisam-pirenena ao@ LZKAM.
Ireo tompon'andraikitra:
Mpandraharaha: - Rtoa Kartashova - Filohan'ny FNMM
Mpanatontosa: - Atoa Sid - Filoha ara-pandrindrana ao @ FNMM
- Atoa Tata - Mpanatontosa ao @ www.fokomosko.ru
Tompontrano: - Rtoa Belyaeva: Filohan'ny sampana iraisam-pirenena ao @ LZKAM
Raha misy fanontaniana: +7-917-590-40-50 (Atoa Sid)
+7-925-865-93-24 (Atoa Tata)
TOKONY HO ENTINA NY ANKIZY, HO AN'IZAY MANAN-JANAKA, SATRIA AFAKA MITSANGATSANGANA SY MIJERY MOZEA REHEFA VITA NY FIVORIANA. HO FALY SY RAVO MIHINTSY NY ANKIZY RAHA HAHITA IZANY TOERANA IZANY. AO KOA MISY AZO ISAKAFOANANA RAHA NOANA NY ANKIZY.
ALAIVO ATO => NY FANASANA SY NY FAHAZOANDALANA
MISAOTRA TOMPOKO!


