TSENA BE!


7.05.2009

Tetezamita Dia mbola faly miarahaba antsika rehetra amin’ny alalan’ity tranok’ala ity. @ fo feno haravoana no ilazana amintsika, fa ny sabotsy 30.05.2009 ho avyizao, dia hisy hetsika hataontsika. Izany hetsika izany dia ho savaranon’ando @ fankalazana ny fetim-pirenena. Izany ihany koa no hampisehoantsika @ ireo namana (sakaiza) ny kolotora Malagasy; toy ny zavan-kanto, asa-tanana, sakafo Malagasy… Efa misy olona vitsivitsy miandraikitra ny fanomanana izany.

Sarety Tsy maintsy mbola hisy ihany ny filazana rehefa tonga ny fotoana, fa ny anton’ity filazana ity dia: raha misy amintsika manana faniriana handray anjara amin’ny fanaovana sy fivarotana sakafo Malagasy, na zava-kanto Malagasy dia raisina antanan-droa. Koa miankina @ fanirianareo syny zavatra tianareo hatao no aoka hanantonanareo ny tompon’andraikitra amin’izany

Ireto avy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny:

- Zava-kanto sy asa tanana: Atoa Augustin, Atoa Naina, Atoa Prospert.

- Sakafo Malagasy: Rtoa Njara, Rtoa Fara (Pasitora), Atoa Gerard, Atoa Franckie.

- Zava-pisotro sy mozika: Atoa Andry (Tata Andriamanantena Heriniaina).

- Mpandrindra: Rtoa Ambasadaoro.

Vorona Raha toa ka, misy olana eo @ fifandraisana @ ireo mpiandraikitra ireo, dia aza hadino fa, afaka manoratra @ mpanatontosa ny tranokala isika, dia ho ampitaina izany hafatra izany.

Tunning

 

Torak’izany koa, raha misy hevitra hitanareo fa, mety hahatsara izany hetsika izany, dia ao ihany koa ny bokindrakitra ao amin’ity tranokala ity.

Misaotra tompoko!

 


Все новости »»»



Evis-Motors - ремонт стойки ремонт пневмо подвески

compteur